1 Fihirana fiakarana*. Nataon'i Davida. FALY aho, raha hoy izy ireo tamiko: Andeha isika ho any an-tranon'i Jehovah.[Na: Fihirana misy hevitra ambaratonga]

2 Ny tongotray efa mijoro Eo anatin'ny vavahadinao, ry Jerosalema ,

3 Dia ianao ry Jerosalema, izay efa vita Tahaka ny tanna efa voalamina tsara;

4 Any no iakaran'ny firenena,Dia ireo firenen'i Jehovah (Lalna amin'ny Isiraely izany). Mba hisaotra ny anaran'i Jehovah.

5 Fa any no misy seza fitsarana mipetraka, Dia ny seza fiandrianan'ny mpianakavin'i Davida.

6 Mangataha fiadanana ho an'i Jerosalema; Hambinina anie izay tia anao; 

7 Fiadanana anie ho ao anatin'ny mandanao; Fanambinana anie ho ao an-dapanao

8 Noho ny rahalahiko sy ny namako No hanaovako hoe Fiadanana anie ho ao anatinao.

9 Noho ny tranon'i Jehovah Andriamanitsika Dia hitady izay hahatsara anao aho.
